Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:34 - Baiboly Katolika

ka lehilahy iray alina voafantina tamin’i Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan’i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin’ny taranak’i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga tandrifin’i Gibea ny lehilahy iray alina voafantina tamin’ny Israelita rehetra. Ary mafy ny ady nefa tsy fantatry ny taranak’i Benjamina fa efa hiharan-doza izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nisy andiany folo ny vatan-dehilahy voafantina, avy amin’i Israely manontolo, no tonga teo anoloan’i Gibehà. Nangotraka ny ady, nefa tsy nampoizin’ny Benjaminita ny fahavoazana hihatra aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nisy andiany folo ny vatan-dehilahy voafantina, avy amin’i Israely manontolo, no tonga teo anoloan’i Gibehà. Nangotraka ny ady, nefa tsy nampoizin’ny Benjaminita ny fahavoazana hihatra aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga tandrifin’i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin’ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady, nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga tandrifin’i Gibea ny lehilahy iray alina voafantina tamin’ny Israelita rehetra. Ary mafy ny ady nefa tsy fantatry ny taranak’i Benjamina fa efa hiharan-doza izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:34
12 Rohy Ifampitohizana  

Mandany ny androny amin’ny fiadanana izy ireo, fa sombin’andro monja no idinany ho any amin’ny Seoly.


Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.


Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.


Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.


Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao ahodivitra, ary hanjò anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory.


Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»


«Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!


Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.


Vao nahita izany ny mpanjakan’i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an’i Israely. Nandroso niaraka tamin’ny vahoaka rehetra ny mpanjaka nankeo amin’ny toerana nifanekena tandrifin’ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon’ny tanàna.


Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.