I Benjamina dia amboadia mamiravira; maraina izy homan-dremby, hariva izy mizara babo.»
Mpitsara 20:21 - Baiboly Katolika Fa nivoaka avy eo Gabaà ny taranak’i Benjamina tamin’izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany androtr’io ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niala avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana lehilahy roa arivo sy roa alina niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely, tamin’izany andro izany. DIEM PROTESTANTA Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana ny Zanak’Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’izany andro izany. Malagasy Bible Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany. La Bible en Malgache Niala avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana lehilahy roa arivo sy roa alina niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely, tamin’izany andro izany. |
I Benjamina dia amboadia mamiravira; maraina izy homan-dremby, hariva izy mizara babo.»
Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevo lahinareo sy andevo vavinareo koa ny taranak’i Jodà sy i Jerosalema! Fa ianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin’i Iaveh Andriamanitrareo va ianareo?
Tsy ny hamaroan’ny miaramilany no ahazoan’ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan’ny mpiady;
Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.
Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?
Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?
«Raha mandeha am-pitobiana hiady amin’ny fahavalonao ianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.
Nandroso ny lehilahy amin’i Israely hiady amin’ny an’i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin’i Israely hamely azy teo anoloan’i Gabaà.
Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.
Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.