Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 28:10 - Baiboly Katolika

10 Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevo lahinareo sy andevo vavinareo koa ny taranak’i Jodà sy i Jerosalema! Fa ianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin’i Iaveh Andriamanitrareo va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ankehitriny, ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; koa tsy mba manan-keloka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo koa va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Ankehitriny ny terak’i Joda sy i Jerosalema, na lahy na vavy, dia kasainareo handevozina; ka tonga manan-keloka amin’ny TOMPO Andriamanitrareo koa ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ankehitriny ny terak’i Joda sy i Jerosalema, na lahy na vavy, dia kasainareo handevozina; ka tonga manan-keloka amin’ny TOMPO Andriamanitrareo koa ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ankehitriny ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; ka moa hianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’i Jehovah Andriamanitrareo koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ankehitriny, ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; koa tsy mba manan-keloka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo koa va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:10
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.


Fa raha izany mpanompo izany kosa, no manao anakampo hoe: ‹Ela vao ho avy ny tompoko› ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra