Mpitsara 20:21 - DIEM PROTESTANTA21 Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Niala avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana lehilahy roa arivo sy roa alina niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely, tamin’izany andro izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Fa nivoaka avy eo Gabaà ny taranak’i Benjamina tamin’izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany androtr’io ihany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana ny Zanak’Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’izany andro izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Niala avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana lehilahy roa arivo sy roa alina niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely, tamin’izany andro izany. Jereo ny toko |
Ary nandeha nitomany teo anatrehan’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro ny Israelita sady nanontany AZY na tokony mbola hiady amin’ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian’ny TOMPO hoe: –Miakara hiady aminy. Dia nifampahery ny Israelita ary nandeha hilahatra hiady teo amin’ny toerana izay efa nilaharany tamin’ny andro voalohany ihany.