Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:22 - DIEM PROTESTANTA

22-23 Ary nandeha nitomany teo anatrehan’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro ny Israelita sady nanontany AZY na tokony mbola hiady amin’ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian’ny TOMPO hoe: –Miakara hiady aminy. Dia nifampahery ny Israelita ary nandeha hilahatra hiady teo amin’ny toerana izay efa nilaharany tamin’ny andro voalohany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Nampahery tena anefa ny lehilahin’ny Israely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22-23 Ary nandeha nitomany teo anatrehan’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro ny Israelita sady nanontany AZY na tokony mbola hiady amin’ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian’ny TOMPO hoe: –Miakara hiady aminy. Dia nifampahery ny Israelita ary nandeha hilahatra hiady teo amin’ny toerana izay efa nilaharany tamin’ny andro voalohany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin’ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany. (

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Nampahery tena anefa ny lehilahin’ny Israely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:22
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: –Lazao amin’i Jôaba hoe: «Aza malahelo amin’izany ianao, fa na ny an-kilany na ny an-daniny dia mety misy maty an’ady. Hamafiso hatrany ny fanafihanao ny tanàna ka ravao izy.» Izany no hampaherezanao an’i Jôaba.


miafina izy mikendry ny olo-mahitsy, dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.


Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.


Tetsy an-kilany, rehefa natao fanisana kosa ireo vatan-dehilahy tamin’ny Israelita hafa, dia nahitana vata-miaramila nisy andiany efajato samy kinga famely sabatra sady zatra ady avokoa.


Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany.


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra