Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»
Mpitsara 2:22 - Baiboly Katolika ireo no hizahako toetra an’i Israely, na hazoto hanaraka ny lalan’i Iaveh izy, toy ny nahazoto ny razany, na tsia.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia. DIEM PROTESTANTA Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankatò Ahy tahaka izay nataon’ny razany na tsia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankatò Ahy tahaka izay nataon’ny razany na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ireny, na hitandrina ny làlan’i Jehovah ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany izy, na tsia. Malagasy Bible mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia. La Bible en Malgache mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia. |
Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»
Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.
Fantany anefa ny lalana falehako; raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.
Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy;
I Môizy nitaraina tamin’i Iaveh, ka notoroan’i Iaveh hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Iaveh ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy.
Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an’ny volamena dia ny fandrendrehana; fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo.
dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.
izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,
Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Dia navelan’i Iaveh handry fehizay ireo firenena tsy mbola natolony teo an-tanan’i Jôsoe ireo, fa tsy nalaky noroahiny.