Ary nanampy teny i Kosaia nanao hoe: «Fantatrao fa be herim-po irainao sy ny olony. Mitroatra izy ireo izao hoatra ny orsa very anaka any an-tsaha izao. Lehilahy mpiady irainao, ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka izy amin’ny alina.
Mpitsara 18:25 - Baiboly Katolika Fa hoy ny taranak’i Dana taminy: «Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao, sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain’ny ankohonanao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. DIEM PROTESTANTA Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao hianao. Malagasy Bible Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. La Bible en Malgache Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. |
Ary nanampy teny i Kosaia nanao hoe: «Fantatrao fa be herim-po irainao sy ny olony. Mitroatra izy ireo izao hoatra ny orsa very anaka any an-tsaha izao. Lehilahy mpiady irainao, ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka izy amin’ny alina.
«Amin’Andriamanitra velona izay mandà tsy hanome rariny ahy, amin’ny Tsitoha izay mameno zava-mangidy ny aiko,
Fa ny haizina aman’aloky ny fahafatesana anie hahalasa azy, ho voasaron’ny rahona matevina izy, ka hahatsiravina ny fanakonana ny hazavany!
Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»
Dia nanohy ny diany ny zanak’i Dana. Hitan’i Mikasy fa mahery noho izy ry zareo, ka dia niverina nody any an-tranony izy.
Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.