Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joba 3:5 - Baiboly Katolika

5 Fa ny haizina aman’aloky ny fahafatesana anie hahalasa azy, ho voasaron’ny rahona matevina izy, ka hahatsiravina ny fanakonana ny hazavany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana; aoka hitatao eo amboniny ny rahona; aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana; aoka hitatao eo amboniny ny rahona; aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro!

Jereo ny toko dika mitovy




Joba 3:5
25 Rohy Ifampitohizana  

Teramenan’ny ranomaso ny tavako, ary mivelatra eo ambony hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana.


Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina, satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy.


Mampisava ny haizina ny olona, hatrany anatin’ny hantsana izy no mikaroka ny vato miafina ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana.


Hiova ho haizina anie izany andro izany, Ka tsy hiahy azy any ambony anie Andriamanitra, ary tsy hamirapiratra aminy anie ny hazavana.


Ho babon’ny haizim-pito anie izany alina izany, ka tsy hisaina amin’ny andron’ny taona, tsy hiditra amin’ny fanisana ny volana!


Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana, azon’izay manao ny tsy marina ierena.


Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana, sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona?


Tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran’izy ireo, voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy.


Nesoriny tamin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izy, ary notapahiny ny fatorany.


Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.


Tsy nihemotra hianòtra ny fonay; tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,


Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.


Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.


Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, nitari-dalana antsika tany an’efitra, tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana, tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin’ny tany tsy falehan’olona, tsy onenan’olona?›


Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.


Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!


Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.


Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.


Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.


Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.


ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.»


mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.»


Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.


Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra