Mpitsara 17:7 - Baiboly Katolika Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita izy io ary mpivahiny nitoetra tao. DIEM PROTESTANTA Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ny fokon’i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao. Malagasy Bible Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao. La Bible en Malgache Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita* izy io ary mpivahiny nitoetra tao. |
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
Ny tanàna dia i Kateta, i Naalôla, i Semerona, i Jedalà, sy i Betlehema, tanàna 12 sy ny zana-bohiny.
Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»