Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 17:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita izy io ary mpivahiny nitoetra tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ny fokon’i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita* izy io ary mpivahiny nitoetra tao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 17:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ianao, ry Betlehema Efratà, isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an’i Israely. Efa hatramin’ny fahagola no niandohany, dia hatramin’ny andro taloha elabe.»


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Ny velaran-tanin’i Zebolòna dia nisy tanàn-dehibe 12 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy; ka anisan’ireo tanàna 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrôna, i Jidalà, ary i Betlehema.


Ary nobahanan’ny Gilehadita ireo fitàna ny ony Jôrdàna hankany Efraîma. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: –Efraîmita va ianao? Koa raha namaly izy hoe «Tsia»,


I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra