Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Tsy nisy mpanjaka tamin’i Israely tamin’izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Tamin’izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 17:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao amin’ny tany Edôma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Israelita.


Hofoanan’ny TOMPO avokoa anie ny mpandoka sy ireo avo vava,


Ny adala dia mihevitra ho mahitsy toetra; fa hendry kosa ny olona izay mandray torohevitra.


Misy toetra heverin’ny olona ho mahitsy, kanjo mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.


Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.


Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.


Aza anaovanareo fomba toy izao ataontsika ankehitriny izao ny TOMPO, ka ny tsirairay no samy manao izay heveriny ho mety.


ary tonga mpanjakan’i Jesoròna ny Tompo fony tafangona ny lehiben’ny vahoaka mbamin’ireo foko israelita rehetra.


Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon’i Dana tamin’izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.


Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.


Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.


sady nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, inona no anton’izao mahalevona ny foko iray amin’Israely izao ankehitriny?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra