Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 17:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Fa ity lehilahy atao hoe Mikà ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efôda mbamin’ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda sy terafima izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Fa ity lehilahy atao hoe Mikà ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efôda mbamin’ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nanana tranon’andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda* sy terafima* izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 17:5
24 Rohy Ifampitohizana  

I Labàna tamin’izay dia lasa nanety ny ondry aman’osiny; ka nangalarin’i Rahely ny sampin-drainy.


Ary ankehitriny mandeha mody tokoa ianao satria manina ny akanin-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo sampiko?


Nanorina trano teny amin’ny toeram-panasinana i Jerôbohama sady nanendry mpisorona hafa tamin’ny sarambabem-bahoaka, izay tsy anisan’ny taranak’i Levỳ akory.


Nanendry andro fety koa izy, dia ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo izay mitovitovy amin’ny fety any Joda ihany, ary dia nanatitra sorona teo ambony alitara koa. Toy izany no nataony tany Betela, fa nanao sorona ho an’ireo ombilahikely namboariny izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona izay notendreny ho an’ireny toeram-panasinana ireny.


Nasain’ny amperôra Kirôsa navoaka ireo fanaky ny tranon’ny TOMPO, dia ny fanaka nalain’i Nebokadnetsara tany Jerosalema ka efa napetrany tao an-tranon’ireo andriamaniny.


Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.


«Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. «Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran’i Aharôna sy ny zanany lahy amin’ny raharahany:


Ny mpandrafitra kosa mandrefy hazo amin’ny tady sy manamarika azy amin’ny tsaoka, manamboatra azy amin’ny vankona, manamarika azy amin’ny kômpà ary manome azy endrik’olona, dia endrik’olona tsara tarehy izay hapetraka ao amin’ny tempoly anankiray.


Ry sabatra maranitra ô, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.


Hijanona eo am-bavalalana iaingan’ireo lalana roa ireo aloha ny mpanjakan’i Babilôna mba hanao sikidy. Hahontsankontsany ny zana-tsipîka, hanontaniany ny sampy ary hohadininy ny atin-kenam-biby.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Hatsanganao hitandrina ny asa fisoronana i Aharôna sy ny zanany; fa izay tsy mpisorona mitady hanatona kosa dia hatao maty.


Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.


Kanjo naverin’i Mikà tamin’ny reniny indray ireo. Ary nakan-dreniny sekela roanjato izany, ka nomeny ny mpandrendrika. Dia nanamboatra sampy atao sarivongana metaly narendrika io; ary napetraka tao an-tranon’i Mikà izany.


Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.


Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?


Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.


Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.


Nalain’i Mikàla ny sampim-pianakaviana ka nampandriany teo am-parafaran’i Davida, dia nampiondaniny volon’osy ary norakofany lamba.


Raha nialokaloka eo amin’i Davida tany Kehilà i Abiatara zanakalahin’i Ahimelèka, dia nitondra ny efôda niaraka taminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra