Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tanin’i Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely.
Mpitsara 17:6 - Baiboly Katolika Tsy nisy mpanjaka tamin’i Israely tamin’izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra. Malagasy Bible Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra. |
Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tanin’i Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely.
Holevonin’i Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra, mbamin’ny lela miteny amin’avonavona,
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao; aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao! Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.
Aza manao toy izao ataontsika ankehitriny izao, dia izao samy manaraka ny saim-pantany izao;
Tonga mpanjaka ao amin’i Jesoròna izy, nony nivory ny lohan’ny vahoaka mbamin’ny fokon’i Israely rehetra.
Tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely tamin’izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon’ny Danita, tamin’izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin’izany andro izany izy eo afovoan’ny fokon’i Israely.
Tamin’izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.
nanao hoe: «Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, ahoana re no nahatonga izao amin’i Israely; fa fongotra androany ity ny fokon’i Israely iray».