Mpitsara 16:31 - Baiboly Katolika Dia nidina ny rahalahiny mbamin’ny mpianakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan’i Saraà sy i Estaola, amin’ny fasan’i Manôe rainy. Roapolo taona no nitsarany an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely. DIEM PROTESTANTA Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy Estaola tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona. Malagasy Bible Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona. La Bible en Malgache Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely. |
Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.
Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.
Ary hoy i Samsôna hoe: «Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho!» sady niezaka mafy niondrika izy, ka nirodana tamin’ny andriana amam-bahoaka rehetra tao ny trano. Ary be no matiny tamin’ny nahafatesany noho ny novonoiny fony fahavelony.