Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 16:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Dia nidina ny rahalahiny mbamin’ny mpianakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan’i Saraà sy i Estaola, amin’ny fasan’i Manôe rainy. Roapolo taona no nitsarany an’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy Estaola tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 16:31
8 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy kosa ireo tanàna teo amin’ny lemak’i Sefelà: i Estaôla, i Tsôrehà, i Adenà,


Ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàna ireto: i Tsôrehà, i Estaôla, i Hira-Semesy,


Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona tamin’ny andron’ny Filistinina.


Dia nihiaka i Samsôna hoe: –Aoka aho ho faty miaraka amin’ny Filistinina! Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran’ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin’ny fahafatesany noho izay matiny tamin’ny androm-piainany.


Tao amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma dia nisy lehilahy natao hoe Mikà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra