Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:23 - Baiboly Katolika

Koa ankehitriny, rehefa noroahin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny Amôreana, teo anoloan’i Israely vahoakany, ianao indray ve no handroaka an’i Israely hiala ao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Isiraely olony: ary hianao kosa va ta-haka ny tany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?

Jereo ny toko



Mpitsara 11:23
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary omeko ho tombon-dahinao amin’ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako, teo an-tanan’ny Amôreana.»


Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay!


Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.


lasany avokoa ny faritan’ny Amôreana, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, ary hatramin’ny efitra ka hatrany Jordany.


Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?