Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
Mpitsara 1:20 - Baiboly Katolika Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy. DIEM PROTESTANTA Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hebrona dia nomeny an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. Malagasy Bible Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. La Bible en Malgache Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy. |
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany.
afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an’i Iaveh izy.
Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.
Tamin’izany andro izany ihany koa no nandehanan’i Jôsoe sy nandringanany ny Enakima tany amin’ny Tendrombohitra, tany Hebrôna, tany Dabira ary tany Anaba, tany amin’ny tendrombohitr’i Jodà rehetra sy tany amin’ny tendrombohitr’i Israely rehetra. Nataon’i Jôsoe anatema avokoa ireo mbamin’ny tanànany;
Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima. Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.
Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.