Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 6:10 - Baiboly Katolika

Mbola misy, ao an-tranon’ny ratsy fanahy ihany va ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mbola misy rakitry ny harena azo tamin’ny tsy rariny ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy na misy efaha tsy ampy famarana ao, izay mahatonga fahatezerana?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin’ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin’ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mbola misy rakitry ny harena azo tamin’ny tsy rariny ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy na misy efaha* tsy ampy famarana ao, izay mahatonga fahatezerana?

Jereo ny toko



Mika 6:10
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.


Ny mizàna mandainga, dia ankahalain’i Iaveh, fa ny lanja marina no ankasitrahiny.


Ny vato-mizàna samy hafa sy ny efah samihafa, dia samy zavatra hankahalain’i Iaveh.


Halan’i Iaveh ny vato mizàna samy hafa; ary tsy mba tsara ny mizàna mandainga.


Ny rakitra azon’ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty.


Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin’i Iaveh, - dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin’ny lapany.


Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»


Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!


Hofaizako avokoa amin’izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasahiana amam-pitaka ny tranon’ny tompony.


Ary hoy izy: «Ny efah no miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»


Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.