Mika 4:11 - Baiboly Katolika Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy, ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro izay milaza hoe: Voaloto i Ziona, ary aoka hifaly mijery azy ny masontsika. DIEM PROTESTANTA Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: «Aoka ho afa-baràka i Tsiôna ary aoka isika hijery ny faharavàny!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: «Aoka ho afa-baràka i Tsiôna ary aoka isika hijery ny faharavàny!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy. Malagasy Bible Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy. La Bible en Malgache Ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro izay milaza hoe: Voaloto i Ziona, ary aoka hifaly mijery azy ny masontsika. |
Andao, hoy izy, hofongorantsika eo amin’ny firenena izy ireo, ka aoka tsy hotononina intsony ny anarana hoe Israely.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany!
Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin’ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin’i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.
Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;
noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hiaviako ianao, ry Tira! Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho, toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ianao va no nolazaiko tamin’ny andro fahiny, tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, ny mpaminanin’i Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin’izany andro izany, ny amin’ny hampiakarako anao hamely azy ireo?
Aza faly mijery ny andron’ny rahalahinao, amin’ny andro idiran-doza aminy; aza mifaly amin’ny momba ny taranak’i Jodà, amin’ny andro andringanana azy; ary aza dia avoavo fiteny amin’ny andron’ny fahoriany.
Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.
Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: i Jerosalema hataoko vato haingaina ho an’ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.