Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 52:4 - Baiboly Katolika

4 Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 52:4
22 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao.


«Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagaga lehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»


Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.


Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:


Tamin’ny volana fahafolo, amin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, dia tonga teo anoloan’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.


Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema, satria niodina tamiko izy, - teny marin’i Iaveh. -


dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.


Izaho koa, hiteha-tanana, sy hanarana ny hatezerako. Izaho Iaveh, no efa niteny.


Eo an-tanany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin’ny banga, hanandra-peo amin’ny akoran’ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda.


Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.


Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:


Tamin’ny taona faha-25n’ny nahababo antsika, tamin’ny fiandohan’ny taona, andro fahafolon’ny volana, taona faha-14n’ny naharavan’ny tanàna, tonga tamiko androtr’izay ihany ny tanan’i Iaveh, ka nitondra ahy ho any amin’izany fitoerana izany.


Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo,


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»


Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,


«Ary rehefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra