Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»
Mika 1:9 - Baiboly Katolika Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria; mihatra amin’i Joda izany ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema. DIEM PROTESTANTA satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema izay tanànan’ny mpiray firenena amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema izay tanànan’ny mpiray firenena amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria; Fa mihatra amin’i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema. Malagasy Bible Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema. La Bible en Malgache Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria; mihatra amin’i Joda izany ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema. |
Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»
Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.
Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asiria ny lehiben’ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin’i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalana mamkamin’ny sahan’ny Mpamotsy lamba, ny lehiben’ny mpandroso divay.
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?
Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana ianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.
Ory ikala mponina ao Marôty, noho ny amin’ny fananany; fa nidina avy tany amin’i Iaveh ny loza, ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.
Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao, haringako noho ny fahotanao ianao.
Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjò anao, hiteha-tanana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?