Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 1:12 - Baiboly Katolika

Ory ikala mponina ao Marôty, noho ny amin’ny fananany; fa nidina avy tany amin’i Iaveh ny loza, ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’i Jehovah ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.

Jereo ny toko



Mika 1:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Nanandrandra fiadanana aho, ka fahoriana no tonga, nanantena fahazavana aho, ka haizina no mitranga.


Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.


Dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.


Nanantena fiadanana isika, nefa tsy mahita soa kely akory; sy andro fanaretana, kanjo fampitahorana no mitranga!


Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?


Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.


Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho.


Tamin’ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin’ny seza anankiray teo amoron-dalana i Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra.