Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.
Mika 1:11 - Baiboly Katolika Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry ikala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan’ny ao Bet-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony. DIEM PROTESTANTA Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao. Malagasy Bible Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao. La Bible en Malgache Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony. |
Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.
no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesitany avy any Etiôpia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr’i Ejipta.
Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.
Omeo elatra i Moaba, fa tokony hidina izy; horavàna ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.
noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavinao rehetra, mbamin’izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan’izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy.
Izy ireo hitondra anao amim-pankahalana, hamabo izay rehetra azonao, hamela anao mitanjaka, dia mitanjaka mihitsy; ary ny fitanjahanao amam-pijangajanganao hihanjahanja.
Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa.
Inty Aho izao manohitra anao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika; - haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao, haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao, ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.