Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Matio 9:6 - Baiboly Katolika Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka; dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ka modia any an-tranonao. DIEM PROTESTANTA Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: –Mitsangàna, batao ny fandrianao ka ndeha mody! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: –Mitsangàna, batao ny fandrianao ka ndeha mody! Baiboly Protestanta Malagasy Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Malagasy Bible Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. La Bible en Malgache Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona* manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka; dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ka modia any an-tranonao. |
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
«Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakam-po nanao hoe: «Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery?»
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason’i Kristy no namelako azy,
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.