I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina;
Matio 9:30 - Baiboly Katolika Dia nihiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: «Tandremo sao ren’olona izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy ireo mafy hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao. DIEM PROTESTANTA Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao! Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao. Malagasy Bible Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. La Bible en Malgache Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy ireo mafy hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao. |
I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina;
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.
Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
«Ianao no Zanak’Andriamanitra»; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana Azy.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy; «fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, hoy Izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.»
Talanjona ny ray aman-dreniny, fa i Jesoa nandrara azy tsy hilazalaza amin’olona izay natao.