Matio 9:12 - Baiboly Katolika Fa hoy i Jesoa nandre izany: «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony nahare izany Jesosy dia niteny hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa raha nandre izany: –Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa raha nandre izany: –Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Malagasy Bible Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. La Bible en Malgache Nony nahare izany Jesosy dia niteny hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. |
I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.
Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho, ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahoana no tsy nasiana bandy ny zanaka vavin’ny oloko?
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Raha nahare izany i Jesoa dia nanao taminy hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»
ary nisy vehivavy anankiray nitsì-dra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza,
Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka Azy. Noraisin’i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra, sady nositraniny ny marary.