Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 8:8 - Baiboly Katolika

Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: «Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia novalian’ny kapiteny hoe: –Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia novalian’ny kapiteny hoe: –Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.

Jereo ny toko



Matio 8:8
18 Rohy Ifampitohizana  

Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.


Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,


Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy, sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany.


Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.


«Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»


Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;


fa nandà i Joany nanao hoe: «Izaho no tokony hataonao batemy, ka Ianao indray va no mankaty amiko?»


Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.


Hoy i Jesoa taminy: «Ho avy hanasitrana azy Aho.»


Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy; ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.»


ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho.


Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony.


Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;


dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho.»