Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia novalian’ny kapiteny hoe: –Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia novalian’ny kapiteny hoe: –Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: «Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:8
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»


TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.


nandefasany ny teniny, dia sitrana ary notsoahany tao anaty lavaka.


Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany; nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.


–Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!


Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.


Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe: –Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?


Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Ho avy Aho hanasitrana azy!


Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.


ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin’ny mpikaramanao aho!»


Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!»


Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe: –Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!


dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra