Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Matio 8:34 - Baiboly Katolika Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay ny mponina rehetra iray tanàna dia niainga nitsena an’i Jesoa; ka nony nahita Azy, dia nitalaho mba hialan’i Jesoa eo amin’ny taniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay ny mponina rehetra iray tanàna dia niainga nitsena an’i Jesoa; ka nony nahita Azy, dia nitalaho mba hialan’i Jesoa eo amin’ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ny fari-taniny. Malagasy Bible Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny. La Bible en Malgache Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny. |
Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Vao nahita an’i Elia i Akaba dia hoy i Akaba taminy hoe: «Atỳ va ianao, ry ilay mpanakorontana an’i Israely?»
Hoy anefa ireny amin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay; fa tsy te hahalala izay lalanao akory izahay.
Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao! Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›
Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»
Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;
Raha vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: «Misy inona raharahainao amiko, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy!»
Dia tonga tokoa izy ireo, ka nifona taminy mba hivoaka, sy niangavy taminy mba hiala amin’ny tanàna.
«Ren’i Iaveh teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy i Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.
Dia nataon’i Samoela izay nandidian’i Iaveh azy, ka nankany Betlehema izy. Tonga nitsena azy ny loholon’ny tanàna tamin’ahiahy ka nanao hoe: «Hampiadana va no nahatongavanao?»