Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 7:12 - Baiboly Katolika

12 Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary hoy i Amazia tamin’i Amosa: Ry mpahita! Andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda ianao; any ianao no hihinan-kanina ary any ianao no haminany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Dia hoy i Amatsià tamin’i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia hoy i Amatsià tamin’i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Amazia tamin’i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda hianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 7:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.


Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.


Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.


Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga.


«Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay; ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!


Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »


Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.


Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.


Tamin’izay andro izay ihany dia nisy Farisianina sasany nanatona Azy, ka nanao taminy hoe: «Mandehana miala eo ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.»


Dia tonga tokoa izy ireo, ka nifona taminy mba hivoaka, sy niangavy taminy mba hiala amin’ny tanàna.


Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.


Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.


fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;


Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin’ny taranakao, hangataka lela-vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin’ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina.»


Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra