Matio 8:26 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. |
Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, iza no tahaka Anao? Mahery Ianao, Iaveh, ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;
Mandrahona ny ranomasina izy dia ataony maina; ary ataony ritra ny ony rehetra. Malazo i Basàna sy i Karmely, malazo koa ny zava-manirin’i Libàna.
Amin’ny ony va no mahatezitra an’i Iaveh? sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao? amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao, raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao, raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
Ary i Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: «Ry kely finoana, nahoana ianareo no mihevitra anakampo, noho ianareo tsy mitondra mofo?
Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»
Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?»
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.
Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ny tongony ankavanana moa natsatony tamin’ny ranomasina, ary ny ankavia kosa tamin’ny tany;