Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Matio 28:5 - Baiboly Katolika Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay anjely dia niteny tamin’ireo vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo, fantatro fa Jesosy, ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. DIEM PROTESTANTA Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: –Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: –Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe: Aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Malagasy Bible Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. La Bible en Malgache Ary ilay anjely dia niteny tamin’ireo vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo, fantatro fa Jesosy, ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. |
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»
Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy.
Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: «Nahoana no atỳ amin’ny maty no itadiavanareo izay velona?
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?