Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 28:6 - Baiboly Katolika

6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy. Avia ka jereo ny toerana nandriany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy. Avia ka jereo ny toerana nandriany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 28:6
17 Rohy Ifampitohizana  

fa tahaka ny nitoeran’i Jônasy hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa.


Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.


Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: «Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?»


Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»


ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»


ka nanao hoe: «Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: ‹Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho.›


Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy.


Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,


I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hany hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.


ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.


Dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.»


Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.


Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.»


fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra