Matio 26:49 - Baiboly Katolika Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe: «Arahaba, Raby» dia nanoroka Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka niteny hoe: Finaritra, Raby! Dia norohany izy. DIEM PROTESTANTA Ary nanatona an’i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanatona an’i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy. La Bible en Malgache Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka niteny hoe: Finaritra, Raby! Dia norohany izy. |
Ary hoy i Jôaba tamin’i Amasà: «Tsara ihany va izato ianao, ry rahalahy?» sady noraisin’i Jôaba amin’ny tanany havanana, ny somotr’i Amasà hanoroka azy.
Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika, fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.
Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Dia mba niteny i Jodasy ilay hamadika Azy nanao hoe: «Raby, moa izaho va izany?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»
Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: «Izay horohako no Izy, ka sambory.»
Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe: «Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.»
Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?