Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Matio 26:46 - Baiboly Katolika Mitsangàna ianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika Ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitsangàna, andeha isika, indro, efa manakaiky ilay manolotra Ahy. DIEM PROTESTANTA Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy! Baiboly Protestanta Malagasy Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. Malagasy Bible Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. La Bible en Malgache Mitsangàna, andeha isika, indro, efa manakaiky ilay manolotra Ahy. |
Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!»
Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako,
Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana Azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,
fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
Nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: «Tompoko, iza no hamadika Anao?»
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
Nitsangana ilay Filistinina dia niainga nandroso hitsena an’i Davida, dia nohazakazahin’i Davida nohatonina teo amin’ny laharan’ny miaramila kosa izy,