Matio 25:3 - Baiboly Katolika ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry; DIEM PROTESTANTA Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; Malagasy Bible Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; La Bible en Malgache Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry; |
Mitady Ahy isan’andro isan’andro izy ireo, samy maniry hahalala ny lalako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin’Andriamanitra:
ka mitsoka anjomara hanaitra ny vahoaka ralehilahy, nony mahita ny sabatra tamy hamely ny tany;
«Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.