Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 25:4 - Baiboly Katolika

4 fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin’ny tavoahangin-tsolika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin’ny tavoahangin-tsolika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 25:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;


ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;


Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.


Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;


sy nanisy tombokase antsika, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.


Fa ianareo kosa dia voahosotr’ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.


Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.


hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra