Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 24:8 - Baiboly Katolika

fa vao ho fiantombohan’ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izany rehetra izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izany rehetra izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana.

Jereo ny toko



Matio 24:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo.


Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolimbolina.


Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.


Fa hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin’ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.»


Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako.


dia hataon’i Iaveh mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sady tsy azo sitranina.


Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.


Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.