Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 24:40 - Baiboly Katolika

Amin’izany, amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary amin’izany dia hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izany, hisy roa lahy tafaraka eny an-tsaha; ka ny iray halaina, ny iray havela;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany, hisy roa lahy tafaraka eny an-tsaha; ka ny iray halaina, ny iray havela;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary amin’izany dia hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela.

Jereo ny toko



Matio 24:40
8 Rohy Ifampitohizana  

ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.


amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.


Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray ianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny?


matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;