Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Matio 24:22 - Baiboly Katolika ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha tsy hafohezina izany andro izany dia tsy misy nofo ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. DIEM PROTESTANTA Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo Andriamanitra, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidiny, dia hohafohezin’Andriamanitra ireo andro ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo Andriamanitra, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidiny, dia hohafohezin’Andriamanitra ireo andro ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. Malagasy Bible Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. La Bible en Malgache Ary raha tsy hafohezina izany andro izany dia tsy misy nofo ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. |
Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.
Hangoniko eo anoloan’i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy hofongorana eo an-tanàna akory.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.
Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny.
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
satria mbola tsy teraka akory ireo, ka mbola tsy nanao soa na ratsy (mba tsy hiova ny laha-pifidianan’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fa amin’ny safidin’Izy niantso),
Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
I Piera, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Pônto, Galata, Kapadosy, Azia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,