Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.
Matio 24:15 - Baiboly Katolika Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky), Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, DIEM PROTESTANTA –Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!) Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!) Baiboly Protestanta Malagasy Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ,,ny fahavetavetan’ny fandravana,’’ izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan. 12.11; 9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany), Malagasy Bible Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), La Bible en Malgache Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, |
Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.
Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»
«Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;
Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
«Ary rehefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.»
«Vonjeo, ry lehilahy Israelita! fa eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàna ary ity fitoerana ity; hatramin’ny Jentily avy aza no nampidiriny teto an-Tempoly, nametaveta ity fitoerana masina ity.»
Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: «Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna.
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.
Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.