Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 44:29 - Baiboly Katolika

29 Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin’ity tany ity hianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 44:29
14 Rohy Ifampitohizana  

maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.


Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny, hitsangan-kamely ny ankohonan’ny ratsy fanahy, ary handà ny fanampiana avy amin’izay manao ny tsy marina.


maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.»


«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»


Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.


Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, fa ho indray andro maty izy roa lahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra