Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 22:22 - Baiboly Katolika

Gaga ireo nony nandre izany, ka nandao Azy dia lasa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary gaga izy ireo nony nahare izany, dia nandao Azy ka lasa nandeha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Gaga ireto iraka nony nandre izany, ary dia nandao an’i Jesoa ka lasa nandeha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Gaga ireto iraka nony nandre izany, ary dia nandao an’i Jesoa ka lasa nandeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary gaga izy ireo nony nahare izany, dia nandao Azy ka lasa nandeha.

Jereo ny toko



Matio 22:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianarany izany.


Tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ka hatramin’izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.


Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.


Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.


fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.


ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,


Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.