Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 21:16 - Baiboly Katolika

ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka niteny Taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy: Eny; mbola tsy novakinareo mihitsy va fa: «Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana» (Sal 8.2)?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka hoy ry zareo tamin’i Jesoa: –Renao ve izay lazain’ireo? Dia novaliany hoe: –Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin’ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan’ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy ry zareo tamin’i Jesoa: –Renao ve izay lazain’ireo? Dia novaliany hoe: –Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin’ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan’ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ,,Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’’ (Sal. 8.2)?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka niteny Taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy: Eny; mbola tsy novakinareo mihitsy va fa: «Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana» (Sal 8.2)?

Jereo ny toko



Matio 21:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!


Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.


Ary hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy.


Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe:


Ary ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:


Loza ny hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!


Fa hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?


Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity: