Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
Matio 21:15 - Baiboly Katolika Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo DIEM PROTESTANTA Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan’ny tempoly hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan’ny tempoly hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida!» Baiboly Protestanta Malagasy Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!–dia tezitra izy Malagasy Bible Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy La Bible en Malgache Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana* ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo |
Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»
ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»
«Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza Izy?» «Zanak’i Davida» hoy ireo taminy.
Tamin’izay dia nivory tao an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy,
Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona;
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy sy hampamono an’i Jesoa.
Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»
Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Ary indray andro tamin’izany, nampianatra ny vahoaka tao an-Tempoly izy ka nitory ny Evanjely, dia tonga ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny loholona,
ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo.
Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin’ny Sanedrìna i Jesoa, ary hoy izy taminy: «Raha Ianao no i Kristy, dia lazao aminay.»
Dia vaky ny Farisianina nifampilaza hoe: «Hitanareo fa tsy mahomby ianareo; indro fa mirohotra manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.»
Nony fantatry ny Tompo fa ren’ny Farisianina hoe maromaro kokoa ny mpianatr’i Jesoa sy ny olona ataony batemy noho ny an’i Joany
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betlehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?»