Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»
Matio 20:13 - Baiboly Katolika Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko? DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ilay tompon’ny tanimboaloboka ny anankiray tamin’ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ilay tompon’ny tanimboaloboka ny anankiray tamin’ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? Baiboly Protestanta Malagasy Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray amin’ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Malagasy Bible Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? La Bible en Malgache Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko? |
Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»
«Moa ataonao ho rariny va, ny milaza hoe: ‹Ny ahy no marina noho ny an’Andriamanitra?›
Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka Ahy mba hanamarina ny anao?
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa Izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
dia hoy izy taminy: ‹Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?› Fa sina ilay olona;
Ary hoy i Jesoa: «Ry sakaiza, haninona atỳ ianao?» Tamin’izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy.
Eisy! iza moa ianao, ry olombelona, no sahy hifamaly amin’Andriamanitra? Moa ny vilany tany va hanao amin’izay nanefy azy hoe: «Nahoana aho no nataonao toy izao?»