Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 19:4 - Baiboly Katolika

Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27),

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia izao no navalin’i Jesoa: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve fa ilay Mpahary, hatrany am-piandohana, dia «nanao ny olona ho lahy sy vavy»,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia izao no navalin’i Jesoa: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve fa ilay Mpahary, hatrany am-piandohana, dia «nanao ny olona ho lahy sy vavy»,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1.27), ka dia nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27),

Jereo ny toko



Matio 19:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.


Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»


Ary hoy ralehilahy: «Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.»


Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin’ny nahariany azy.


Roa no vady nalain’i Jôiadà ho an’i Jôasy ary niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.


Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.


Ary hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy.


Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro ; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?


Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony,


Ary ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:


Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;


Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin’ny bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nilazan’Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?


Fa hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?


Dia hoy i Jesoa taminy: «Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?»


Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,