Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 17:4 - Baiboly Katolika

Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe: «Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atỳ; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atỳ, ny iray ho anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao dia hanao tranolay telo eto aho: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elià.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niteny Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao dia hanao tranolay telo eto aho: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia.

Jereo ny toko



Matio 17:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.


Manatera sorom-pahamarinana, ary matokia an’i Iaveh.


Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny, hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.


Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.


Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa.


Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: «Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia»; tsy fantany anefa izay nolazainy.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.


Nony efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay,


fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:


Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.


Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.