Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 17:23 - Baiboly Katolika

Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: «Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary nalahelo indrindra ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin’ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin’ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary nalahelo indrindra ireo.

Jereo ny toko



Matio 17:23
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.


Koa tahaka ny rano mandeha ihany aho; ary mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko, miempo ato an-kiboko.


Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.


Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»


ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»


ka nanao hoe: «Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: ‹Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho.›


Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,


fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.»


Fa noho Izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo.


Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.»