Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»
Matio 16:4 - Baiboly Katolika Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa. DIEM PROTESTANTA Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha. Baiboly Protestanta Malagasy Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. Malagasy Bible Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. La Bible en Malgache Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa. |
Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»
Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»
Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.»